Ankadifotsy Befelatanana : tokantrano 12 lasibatry ny haintrano

Ravan’ny afo tao anatin’ny minitra vitsy ny trano lehibe iray nisy rihana roa tao Ankadifotsy Befelatanana, omaly atoandro. Tokantrano 12 traboina.

Niainga avy tamin’ny fifampikasohan’ny herinaratra, hotohoton’ny afo ny trano iray misy rihana roa tao Ankadifotsy, omaly atoandro tamin’ny 2 ora sy 36 minitra. Niainga avy tao amin’ny rihana farany ambony ny afo. « Kely dia kely ny niantombohany. Afaka novonoina tsara saingy nitsoaka nandositra avy hatrany ilay tompon’ny efitra nisy io firehetana io rehefa nahita ny zava-nisy », hoy Randriatsitohaina Mami­nirina, tompon-trano lasibatra. Niitatra tao anatin’ny segondra vitsy ny firehetana ka nahakasika efitra maromaro. Nigadona nifehy ny afo ny sampana mpamonjy voina tamin’ny 2 ora sy 42 minitra. “Naharitra 45 minitra ny fifehezana ny afo. Efitra 18 no voakasiky ny firehetana”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny sampana mpamonjy voina, Kaomandà Ralaivaonoro Olivier.

Disadisa
Manahy noho ny fisiana hasomparana nataon’ny tompon-trano sasany monina tao amin’io trano io ireo lasibatra. “Fianakaviana avokoa izahay no niray monina. Maniry ny hamarotana ny trano ny sasany raha toa ka mandà izany ny maro anisa satria lova io trano io”, hoy ny iray tamin’ireo tompon’efitra, izay tsy nanaiky hitonona anarana. Maniry ny hamadika vola ny anjarany, araka izany, ireo mpandova vitsy anisa raha toa ka niezaka nihazona ny lova navelan’ireo ray aman-dreny teo aloha ny mpiray tampo sasany. “Tsy hanaiky izao zava-mitranga izao izahay. Tsy maintsy karohina ilay tompon’ny efitra nisian’ny fifampikasohana he­rinaratra satria raha tsy nangalatra jiro izy tsy nisy izao”, hoy hatrany ny fanazavan’iray tamin’ireo tompon-trano lasibatra. Nanampy ny mpamonjy voina teny an-toerany ny polisim-pirenena. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

Tsiferana R/ Fitia

Partager sur: