Mahasanganehana ny zava-misy any ambanivohitra rehetra any, ankehitriny. Manjaka ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa. Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy. Ny mpitandro filaminana indray sanatrian’ny vava no atody miady amam-bato. Sodokan’ny ranty an-tanàn-dehibe Ramalagasy.
Fiara tsy mataho-dalana am-polony, kamiaobe tsy tambo isaina no mifanaretsaka rehefa misy seho iray. Mamono lolo izaitsizy ny filaharana sy famoahana fitaovana. Tena ampiasaina amin’ny filan’ny mponina anefa ve izy ireny? Mahavariana fa ny tobin’ny mpitandro filaminana tsy tokony hampiasana fiara tsy mataho-dalana sy moto « moto »-cross no manana.
Tazanim-potsiny ny biraon’ny zandary any ambanivohitra izay tena mila azy ireny. Tsy mahagaga raha miraviravy tanana ny mpamita iraka. Atao ahoana ny hanenjika dahalo an-tongotra amin’ny kilometatra maro sy izato vohitra mideza? Na ny sakafo hohanina any
am-pamitana iraka aza mbola hitavandrana ny mponina. Ireto farany izay tsy ferana amin’ny fandatsana aman-kanina. Ny havany samborina sy tifirina, kanefa ao aminy no misakafo sy matory.
Mba ao an-tsain’ny tomponandraikitra isan’ambaratonga ve izany? sa minia mikipy tsotra izao. Manao vain-drahalahy tsy maharary. Tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra anefa izany. Zary ataon’ny olona tondro molotra ilay mpitandro filaminana « kely » any an-kianja.
Antso avo no atao amin’ny lehibe, indrindra ny filohan’ny Repoblika, izay filoha faratampon’ny Foloalindahy rahateo. Tsy tokony hisy mizana tsindrin’ila ny fampitaovana sy fampirisihana ny samy mpitandro filaminana. Manan-jo ny hisitraka fampitaovana ny any ambanivohitra satria mendrika fitoniana koa ny vahoaka any ambany ravin-kazo. Tsy misy fampandrosoana mirindra izany raha vao misy ny mizana tsindrin’ila.
r.r