FANTINA sy FINTINA

Niantso ny rehetra tsy hiraviravy tanana ny eo anivon’ny FFKM, tamin’ny hafatra Paka. “Raiso ho hery sy fanantenana vaovao ho antsika, iatrehana ny ankehitriny, fa velona i Jesoa”, hoy izy ireo. Nentaniny ny kristianina sy ny vahoaka mba hizara aina vaovao, handrava ny sarintsarim-pahafatesana mbola iveloman’ny maro.
Kandidàn’ny APM Firaisankina ny depiote am-perinasa, Razafitsiandraofa Jean Brunelle. Hiverina hirotsaka hofidina any amin’ny distrikan’Ikongo izy. Mbola tsy fantatra kosa na ho kandidà any Manjakan­driana na tsia ny mpitarika ny antoko, Rakotoarisoa Alban na i Babà. “Misy ny fifandeferana sy ny fandaminana”, hoy izy.
Manamafy ny tsy fahatokisan’ny rehetra ny HCC ny didy navoakany momba ny raharaha Razanama­hasoa Christine farany teo, araka ny fanambaran’ny vovonana Antso. “Voaporofo izao fa tena mihemotra tanteraka ny demokrasia ary voahosihosy ny asan’ny parlemantera”, hoy izy ireo.
Mitohy ny fanofanana ny komity loharano eny anivon’ny fokontany, iarahana amin’ny minisiteran’ny Atitany. Anisan’ny asa sahanin’izy ireo ny momba ny sosialy, ny fandriampahalemana, ny fotodrafitrasa, ny tontolo iainana, ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana. Nahavita ny azy ny any Tsiroanomandidy, Mahajanga I, Maintirano…

Partager sur: