Maty tamin’ny fomba feno habibiana ny tovolahy iray. Voalaza fa matin’ny fitsaram-bahoaka noho ny fanolanana izy. Miahiahy vono olona niniana natao kosa ny mponina.
Tsy fantatra mazava ny tena marina! Maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny tovolahy iray, ny fiandohan’ity herinandro ity. Andaniny, voatondro ho nanolana zaza tsy ampy taona izy ka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Nofatorana ny tanany roa. Norasaina tamin’ny antsy ny tendany. Hatreto anefa, araka ny fanadihadiana natao teny amin’ny toerana nisehoan’izany, tsy misy olona sahy mijoro na nanao fitarainana momba ny fanolanana. Ankilany, misy ny loharanom-baovao hafa, milaza fa tovolahy nangalatra sy namaky trano izy io. Mitsipaka izany ihany koa ny ampahany amin’ny mponina ao an-toerana. Tsy nisy tranga na porofo milaza izany asa ratsy hafa izany ny teny an-toerana.
Manoloana ny zava-misy, mangataka ny hanaovana fanadihadiana lalina ny mponina ao amin’ny fonkotany Tanambao Verrerie. Mampiahiahy ny rehetra ny anton’izao fitsaram-bahoaka nihatra taminy izao. Tombanan’ny mponina ao amin’ny fokontany fa vonoan’olona feno habibiana, araka izany, no nihatra tamin’ity tovolahy ity. Mangataka ny hanokafana fanadihadiana lalina koa ny fianakaviany.
Tamin’ny 3 ora maraina no nisy nanatitra tao amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe ny razana. Milaza ho mbola tsy nahazo fanambarana avy amin’ny hopitaly milaza fa misy razana tonga avy any ivelan’ ny hopitaly ao amin’ny tranom-paty kosa ny eo anivon’ ny BMH.
Sajo/J.C




