Tsy mbola azo ampiasaina ny ankamaroan’ny lalana any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy vokatry ny fahatapahana samihafa. Sambo no hitaterana ny fanampiana. Nilaza koa ny mpiray ombon’antoka fa vonona hanome tosika ho an’ny traboina.
150t ny lanjan’ny fanampiana ahitana sakafo ho an’ny traboina sy ireo nafindra toerana any amin’ny ilany avaratra atsinanana (Sava, Diana, Analanjirofo ary Atsinanana) vokatry ny rivodoza Gamane farany teo, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier. 89 465 ny isan’ny traboina avy amin’ny tokantrano 22 189. Mahatratra 22 615 ny olona nafindra toerana amin’ny toerana voaomana 78 ary 3687 hafa niantrano any amin’ny fianakaviany ihany. Hanainga rahampitso ny sambo hitondra ny fanampiana satria mbola maro ny lalana tapaka tsy ahafahana mitatitra. Noho izany, sambo avy amin’ny mpandraharaha no ampiasaina hatramin’izao, hoy ny fanamarihany ihany. Sakafo ampy ho an’ny traboina mandritra ny dimy andro aloha no alefa hamonjena ny aina. Nandefa taratasy filazana any amin’ny Fonds d’intervention pour le développement (Fid) koa ny mpitantana ny BNGRC nangataka tohana amin’ny fanaovana asa tanamaro hanamboarana ny fotodrafitrasa simba izay sandaina sakafo. Miara-misalahy amin’ny BNGRC hatrany ny Fid rehefa misy voina tahaka izao.
Efa nanainga omaly ny ekipan’ny BNGRC nialoha lalana hanomana ny any Ambilobe amin’ny fisitrahana tohana ho an’ny traboina.
Mandra-piandry ny tohana sakafo, nahatratra 8 t ny vary efa notsinjaraina ho an’ny traboina 6 223 ao Ambilobe, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nampiarahana amin’ny voamaina 1,6t sy menaka 800 l izany. Nisitraka fanampiana koa ny tokantrano 120 ao Sambava sy 83 ao Vohémar. Sahirana amin’ny fahazoana rano madio ny mponina aorian’ny fandalovan’ny rivodoza, nandefa akora fanadiovana rano 100 baoritra ny tomponandraikitra ka ny teknisianina momba ny Wash no hikirakira ireo akora ireo eny ifotony.
Vonjy




