aNosamborin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nisandoka ho lietnà ao Ambodivoara, fokontany Andranovao, kaominina Ambohimangakely, ny 1 avrily teo. Nandritra ny fankalazana ny alatsinain’ny Paka, nandrindra ny fifamoivoizana teny an-toerana ny zandary ka sendra io lehilahy io. Tsy nanaiky nosakanana izy. Efa naharenesana fofona toaka, nanevateva ny zandary nanao ny asany. Tsy vitan’izany, nitonon-tena ho zandary miasa ao Betongolo izy. Namoahany teny maloto ny zandary nanao ny asany teo amin’io toerana atao hoe Ambodivoara io. Nentina natao famotorana teny anivon’ny biraon’ny zandary izy. Hatolotra ny fampanoavana noho ny fandikan-dalàna nataony aorian’ny famotorana azy.
Tsiferana R.




