Iray amin’ireo firenena tsy afa-bela amin’ny fanitsakitsahana ny maha olona i Madagasikara. An-jato taona maro, nanana endrika samihafa izy io. Amin’ny ankapobeny, ny fanjakazakana an-tanin’olona nataon’ny vahiny no nipoiran’ny ankamaroan’ireny fanaovana tsinontsinona ny maha olona ireny… Hatramin’izao, mbola hita izany !
Hoy ny sehatra iraisam-pirenena : « Mahantra i Madagasikara » ! Mamaly ny Malagasy : « Eny tompoko. Omeo fanampiana ary izahay! » Tena izay tokoa ve ny zava-misy marina? Toa tsy afa-mandinika intsony ny Malagasy. Nanjary tsy tazany (na tsy hainy) fa i Madagasikara no manana ireo harembe miavosa na any anaty tany na ny eto amboniny na ny any anaty rano na ny eny amin’ny habakabaka. Voafitaka ny Malagasy!
Hafa indray ny fisehony ankehitriny. Averimberina sy atao ho ren-tany ho ren-danitra fa « Tsy mahavelona ny Malagasy i Madagasikara ka aleo mianatra tenim-pirenena vahiny dia mandeha any ivelany! » Satria, tratran’io fitaka bevava io ny tanora izay tompon’ny sandry hiasa sy ny saina handinika, manomboka hita taratra ny fihemoran’i Madagasikara. Mifanohitra amin’izay kosa, vahiny marobe no tonga eto handroba ireo haremben’i Madagasikara. Ny tanora malagasy indray, lasa mpanompom-bazaha, any an-tany lavitra. Voafitaka indray!
Ny saina mihitsy no efa donto
Tao anatin’ny 100 taona mahery, tavela ao anatin’ny torimaso lalina ny Malagasy. Fitaka bevava sy ankarihary, kanefa, tsy hitany. Lainga marivo tototra, tsy tsapany. Soloky ankitsirano, tsy tazany. Satria, ny saina mihitsy no efa donto ka tsy handairan-javatra intsony. Niova nanaraka izany ny fomba fijery, fisainana, fahafantarana ny ratsy sy ny tsara… Nanjary nifamadibadika sy nifamototra ny ankamaroan’ny zava-mitranga ao anatin’ny fiarahamonin’ny Malagasy. Ilay fady fanaja, nanjary rehareha sy voninahitra ny fandikana azy, sns.
Donto tsy mahatsiaro izay ambonin’ny tany, hany ka itoeran’ny saina manidintsidina. Ambara fa lasa ambony, kanefa mirefarefa amin’ny tany. Tranga faran’izay tsotra fa tsy takatry ny Malagasy sasany. Hira tsy misy fotony (tonony, feony, votoatiny), kanefa, voasokajy ho mendrika… Satria, efa donton’ ilay fandefasana totoafo azy ireny ny sain’ny Malagasy. Donton’ny fanivaivana sy vono hasina atao amin’ny kolontsaina sy ny soatoaviny!
HaRy Razafindrakoto