Vonomoka tany Rwanda: voaasa ho any Kigali ny filoha Rajoelina Andry

Nihazo an’i Kigali, renivohitr’i Rwanda, ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’ireo vahiny voaasa manokana hiatrika ny fahatsiarovana ny vonomoka tany an-toerana izy.

Hotsarovana rahampitso ny faha-30 taonan’ny vonomoka natao tamin’ny foko Tutsi tany Rwanda. Maherin’ny iray tapitrisa ireo namoy ny ainy. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fifandraisana sy fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny fivahinianan’ny filohan’ny Re­poblika any an-toerana. Hisy, araka izany, ny fihaonana manan-danja mandritra ny fitsidihana.

Hisy ny fiaraha-midinika eo min’ny minisitry ny Fambolena avy amin’ny firenena roa tonta. Avy amin’ny fambolena ny 33% ny harinkarena faobe ka ny 55% ny mpiasa misehatra amin’izany. Maherin’ny 80 % kosa no mpamboly ho an’ny eto amintsika. Zava-dehibe, araka izany, ny fifampizarana traikefa sy hametrahana fiaraha-miasa tahaka izao.

Niarahaba voalohany

Tsiahivina rahateo fa anisan’ireo vahiny manokan’ny filoha Rajoelina ny filoha Paul Kagamé tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena ny taona 2019, raha vao lany ho filoham-pirenena izy. Anisan’ny niarahaba voalohany ny filoha Rajoelina koa ny tenany taorian’ny fahalaniany, nandefa ny Praiminisitra Roandey, nanatrika ny fianianana nataony tetsy Mahamasina.
Efa nanatanteraka fitsidihana ofisialy tany Kigali Rwanda koa ny Rajoelina Andry, ny aogositra 2023 teo. Nanamarika izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy hanatanterahana tetikasa maro momba ny fandraharahana, ny indostria, ny varotra sy ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany.
Miara-dia amin’ny filoha any Rwanda ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena.

Synèse R.

Partager sur: