Prix Paritana 2024: lasan’i Tsiriniaina Irimboangy ny amboara

Mitohy hatrany ny fanohanana sy fanolorana fanararaotra ho an’ny Malagasy mpahay kanto ataon’ny Fondation H. Mpahay kanto miisa telo, miangaly haikanto samihafa, no voafantina hisitraka ny tolotra enti-manatsara ny tetikasany avy, tamin’ity andiany ity.

Tontosa teny amin’ny Institut français de Ma­da­gascar (IFM) Anala­kely, ny lanonana nanambarana tamin’ny fomba ofisialy, ny mpandresin’ny fifaninanana « Prix Paritana » andiany fahavalo. Tsiriniaina Hajatiana Irimboangy no voahosotra ho mpandresin’izany fifaninanana izany, tamin’ity taona 2024 ity. “Rido – dévoiler les souvernirs” no tetikasa nentiny nandresy lahatra ny mpitsara ka nahazoany ny laharana voalohany. Samy laharana faharoa kosa i Andy Rasoloarivony, mpahay kanto mpaka sary, sy i Finoana Ratovo Andrian­tse­heno, mpanao haikanto plastika.
Mpahay kanto misehatra eo amin’ny fanaovana tefibika sy fikarohana ity mpandresin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahavalo ity. Vola mitentina 3 000 euros, miampy fiofanana sy fivahinianana any amin’ny Cité internationale des arts any Paris, mandritra ny telo volana, ary fampirantiana manokana ao amin’ny Fondation H Paris sy ao amin’ny IFM Analakely, no azony. Ho an’ireo eo amin’ny laharana faharoa kosa. Vola mitentina 500 euros avy, miampy fanohanana avy amin’ny Fondation H, amin’ny fanatanterahana ny tetikasany avy, ary fampirantiana manokana eny amin’ny Fondation H Ambatomena, amin’ity taona ity, no azon’izy ireo.
Nahatratra 41 ny antotan-taratasim-pandraisan’anjara voarain’ny mpikarakara nandritra ny fifaninanana. Tsia­hivina fa fifaninanana natao ho an’ny Malagasy mpahay kanto sy ny mpahay kanto monina eto Madagasikara ny “Prix Parit­ana”. Nanomboka ny taona 2017 ny mpikarakara no nanao izany fanohanana izany. Mpahay kanto telo miangaly ny haikanto ankehitriny, mahafeno ireo fepetra ireo, isan-taona no misitraka izany.

Lin

Partager sur: