Kabeson’ny Ampanjaka Toera: hidina any Menabe ny komity siantifika

Miroso miandalana. Efa tontosa ny dingana voalohany amin’ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, izay mipetaka amina tranombakoka iray any Paris, Frantsa. Volana maromaro izay no nanao ny fangatahana tamin’ny governemanta frantsay ny fanjakana malagasy, nosoloin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera teo aloha, tena. Nanohy ny dingana manaraka ny ekipan’ny minisitra amin’izao fotoana, ka fantatra fa efa eto Madagasikara ireo iraka avy amin’ny firenena frantsay, handrafitra ny komity siantifika hikarakara izany. Hanomboka ny fivoriana ny alatsinainy izao izy ireo, miaraka amin’ireo solontenan’ny fanjakana malagasy, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy.
« Mizotra tsara ny fandaminana. Hidina any Belo Tsiribihina izahay amin’io herinandro io, hifandinika amin’ireo raiamandreny any an-toerana amin’izay fikarakarana tokony hatao mialoha. Hisy fanodinana horonantsary ma­ha­kasika ny Ampanjaka Toera ihany koa mantsy kasaina hotontosaina », hoy ny fanambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andria­mananoro Augustin, omaly.
Zava-dehibe loatra ho an’ny firenena malagasy ny fampodiana ny karandohan’ity mpanjaka Sakalava izay nataon’ny mpanjanatany ho harena babo an’ady ity. Misy kabeso roa hafa, izay heverina fa an’ireo miaramilan’ny Am­panjaka sakalava, izay niara-novonoina taminy tamin’ny taona 1897 ireo. Misy lanja ara-politika sy amin’ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny firenena roa tonta ny famerenan’i Frantsa ireto kabeso ireto. Mety ho savaranonando amin’ny famerenana ireo fananan’i Madagasikara izay takina ihany koa…

Zo ny Aina

Partager sur: