TARATRY ny KANTO

Nahazo tale jeneraly vaovao ny ORTM. Tsy vaovao ny marimarina kokoa, fa niakatra teo amin’izany toerana sy andraikitra izany, Ranarivelo Nampoina. Talen’ny TVM nandritra ny roa taona sy tapany izy nialoha izao. Mametraka ho fanamby ny ho fanatsarana ny tolotra omen’ny haino aman-jerim-panjakana ho an’ny Malagasy tsivakivolo ny tenany.
Monika Njava, etsy amin’ny Le Louvre Antanimena. Manome fotoana ireo mpankafy azy anio, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva ity mpanakanto ity. Ho avy hanotrona azy amin’izany ireo anadahiny ao anatin’ny tarika Njava : Dozzy sy i Maximin. Hanaraka azy amin’izany koa ireo mpitendry matihanina toa an’i Joël Rabesolo, Harty Randriambelo, sns.
Tao anatin’ny 10 taona, nanomboka « niova feo » ny Malagasy mihira na ny mpihira. Nanjary nanjaka sy nomena lanja ny feo an’orona. Na, ireo hira efa noforonina tany amin’ny taona 1960 aza, rehefa ny tanora ankehitriny no mamerina izany, lasa feo an’orona no hanaovan-dry zareo azy ireny. Anisan’ny mampiavaka ny hira malagasy manerana an’i Madagasikara anefa ny fampiasana ny feo voajanahary tsy amboamboarina.
Hisy ny seho Slam karakarain’ny Madagaslam, anio, eny amin’ny IFM Analakely. Fampisehoana natao hanomezana sehatra ireo vao misandratra eo amin’ny Slam. Na izany aza, hisy ny fandraisan’anjaran’ireo efa manana ny maha izy azy. Misokatra ho an’ny rehetra, amin’ny fanarahana ny fitsipiky ny Slam, araka izany, ny sehatra.

Partager sur: