Minisiteran’ny Mponina: manasongadina ny tantaram-pahombiazana ireo fikambanana

Efa hita ao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny minisiteran’ny Mponina ireo horonantsary mirakitra tantaram-pa­hombiazana hanaovan’ireo ve­hivavy sy fikambanana fifaninanana. Efa mandeha ny fifidianana izany ka izay mendrika no hisitraka ny loka efa voafantina.
47 ireo fikambanam-behivavy na olon-tsotra nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Horonantsary 2 minitra mitantara ny fahombiazana, ho fitaratra ho an’ny hafa no atao amin’izany. Lohahevitra 3 no nosafidiana dia ny mahakasika ny fandrindram-piterahana izay maneho fa mitondra vokatsoa amin’ny fizakan-tenan’ny vehivavy ny fanaovana izany. Teo koa ny momba ny fifampizarana traikefa ho an’ireo ao anaty fikambanana. Ankoatra io, ny lohahevitra mahakasika ny firaisankinan’ireo samy mpikambana, izay maneho ny fiaraha-mientan’ny vehivavy sy ny fifampizarany traikefa.
Ahitana fikambanana mp­a­­nao asa sosialy, mpamboly, vehivavy manana fahasembananana… samy nandray anjara avokoa.
Hahazo loka avokoa ireo fikambanana 2 voalohany isaky ny lohahevitra. Ny mpanaraka ny facebook-n’ny minisiteran’ny Mponina no hitsara ny horonantsary tsirairay ara­ka izay hitany fa tsara.

Tatiana A

Partager sur: