Nanolotra fitaovana ara-teknika ho an’ny Instituts de formation interrégionaux des paramédicaux (IFIRP) ny masoivohon’i Japon, omaly. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanarenana sy fampivoarana ny lafiny ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara izany. Tetikasa vatsian’ny Fonds de contre-valeur Japonaise.
Haparitaka amin’ireo ivontoerana enina manerana ny Nosy ireo fitaovana rehetra ireo. Anisan’izany, ny eto Antananarivo, Fianarantsoa, Toamasina, Mahajanga, Toliara ary Antsiranana. Natao hampivoarana ny kalitaom-panofanana eny anivon’ireo sekoly ny fitaovana rehetra. Eo ihany koa ny hiantohana ny fahasalaman’ny mponina eny ifotony.
« Hitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra eo amin’ny fanatsarana ny lafiny ara-pahasalamana eto amin’ny Nosy », hoy ny masoivohon’i Japon, ABE Koji. Nohamafisiny fa hisy fiantraikany goavana any amin’ny fahasalamam-bahoaka ny fampiasana ireo fitaovana ireo. Tonga nanatrika ny lanonana ny masoivohon’i Japon monina eto Madagasikara, ABE Koji, sy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Randriamanantany Zely. Manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny hetsika tahaka izao. Manaja ny zon’olombelona ihany koa. Mahatratra 2 870 000 000 Ar ny teti-bidin’ny tolotra nomena.
Mino