Sao mikolokolo kolikoly

 

Tsy hahomby izay ady amin’ny kolikoly raha tsy ny toe-tsaina no miova, raha ny tenin’ny tomponanandraikitra iray eo anivon’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac). Aiza ho aiza izay fiovana sy fanovana toe-tsaina izay? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Tena resy lahatra amin’ny ady atao? Fanetriben’ny firenena ny kolikoly: tsy mampandroso, mampahantra aza. Fitiavan-tena no anisan’ny mitondra amin’ny fanaovana kolikoly? Eo koa ny tsy fahalalana, ny fahazaran-dratsy, ny tsy fanarahan-dalàna… Efa zary fiainana andavanandro ho an’ny sasany? Na kolontsaina, toetra, fomba…
Hanova na hiova toe-tsaina ahoana? Ny olona no olana, na ny zava-misy iainana, na ny fiarahamonina, na… Mila hetsika mahery vaika, fiaraha-mientana, faharetana… Mialoha lalana izany ny fanapahan-kevitra hiady fa tsy hanao sarin’ady, ny fahasahiana, ny fahavononana… Ny toe-tsaina ve no hanovana ny zava-misy na hanafoanana na hampihenana ahay ny kolikoly? Na ny zava-misy no hanovana ny toe-tsaina amin’ny fampiharan-dalàna, fanasaziana, fanabeazana… Izy avokoa izany: mifameno fa tsy mifamono, tsy mandeha ila, tsy am-boalohany ihany. Misy azo alain-tahaka ve ny amin’izany? Na mbola tratran’ny be no ho vitsy ihany…
Izay manana vola sy fahefana no manjaka? Dia tsy afa-manoatra izay te hijoro sy te hiady. Ahoana, ohatra, no iadiana amin’ny kolikoly amin’ny raharaham-pifidianana toy izao? Saika tsy fampielezan-kevitra loatra no ataon’ny sasany fa fampielezam-bola, zavatra, fampisehoana… Kolikoly tsotra izao. Rahoviana no ho afaka? Na hiova sy hanova toe-tsaina, fomba, toetra… Hatomboka aiza na any amin’iza? Na mbola karazana sarin’ady no atao, raha tsy misy ny fiovana? Ny tena no antony amin’izay lazaina sy atao. Sao mikolokolo kolikoly, sanatria?

R. Nd.

Partager sur: