Samy fetsy

 

Toy ny mahazatra ny Malagasy, izay tsy manao zavatra raha tsy ampotomoty sy miandry amin’ny ora farany dia nihazakazahana ny fanaterana antontan-taratasy filatsaha-kofidina, omaly. Nanaitra ny nahita ny kandidàm-panjakana. Ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta no lohalisitra any amin’ny faritra niavian’izy ireo. Inona no antony?
Samy manana ny paikady politikany ny tsirairay. Samy nanana ny kajiny sy ny tanjony. Ady fiady rahateo io. Iaraha-mahalala rahateo fa tsy maintsy manao izay fomba ahazoana ny maro anisa ny mpitondra. Vao tsy mahavita izay, dia efa veloma lava ny fahamarinan-toerana. Ny sosialy sy ny toekarena efa tsy voafehy, mainka fa hiampy lesoka politika?
Miharo hafetsena ihany ny an’ny ekipan’ny “Arena”, indrindra amin’ny fampidirana ireo olona faharoa anaty lisitra. Raha ny manampahefana sy manambola no lohalisitra, izay tsy voatery ho mamim-bahoaka. Napetraka ho ireo zanaky ny distrika, izay be mpanohana sy mahasarika ny mpifidy kosa izany. Hain-dry zareo ny milalao azy! Kanefa tsy misy fandresena azo antoka mialoha izany.
Tsy ho moramora rahateo ny ady satria henjana sy manana olona ihany koa ny mpifanandrina. Iaraha-mahita fa misy ny mpanohana fitondrana tsy navela hisalotra ny fanamiana volomboasary. Lasa nivadika ho tsy miankina. Mbola mety ho mamihoditra any amin’ny tany niaviany izy ireny. Tsy azo tazanim-potsiny ny mpanohitra izay nanambatra ny heriny. Manana olona mpanohana ihany koa.
Tsy hisy hanaiky resy moramora izany ny mpilatsaka ho fidina. Tsy misy afaka ny hitompo teny fatratra fa tsy maintsy ho lany. Tsy misy hanaiky be fahatany ny ho very vola amin’ity antoka 20 tapitrisa Ariary. Mba tena ho lalao madio ny amin’ny 29 mey ho avy izao satria tafaray samy fetsy avokoa ny mpifanadrina politika.

r.r

Partager sur: