Sekolim-panjakana : hisy bakalorea andrana amin’ny mey

Efa ao anatin’ny fanomanana ny fanadinana ny tomponandraikitry ny lycée Rabearivelo amin’izao telovolana fahatelo izao. « Mamita ny fandaharam-pianarana ny kilasy rehetra ary mampiasa polycopies ny mpampianatra hanafainganana ny asa, indrindra ho an’ny kilasy famaranana », hoy ny talen’ny lycée. Misy ny bakalorea andrana iraisan’ny lycée miankina amin’ny fanjakana rehefa faran’ny volana mey, handrefesana ny fari-pahaizan’ny mpianatra. 1000 mahery ny isan’ny mpianatra amin’izao fotoana izao. 150 no nisafidy ny sokajy S ao amin’ny kilasy famaranana. Manana efitrano mediathèque ny sekoly, natokana ho an’ny mpianatra siantifika ary efa misy lamina ny fampiasana azy satria tokony hanao fikarohana ao ireo mpianatra manampy ny lesona any an-dakilasy eo ambany fanaraha-mason’ny mpampianatra. Avy amin’ny fandaharanasa Educmad ny efitrano mediathèque misy ny «ordinateur» sy ny «serveur» efa misy ny lesona sy ny fizarana rehetra.
Nampisokatra ny sain’ny mpianatra ny fampiasana ny fitaovana niomerika ho an’ny taranja siantifika ary nisarika azy ireo ho liana kokoa.

Vonjy

Partager sur: