Laharam-pahamehana tamin’ny famindrana toerana ny mpiasa ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ity taona ity ny fijerena manokana ny filana eny anivon’ny sekolim-panjakana manerana ny Nosy sy ny sampandraharaham-paritra. Nojerena koa ireo fangatahana fiovan-toerana nataon’ny mpampianatra sy mpandraharaha raha mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery sy ny naoty manokana mifehy ny famindran-toeran’ny mpiasa.
Diso ny filazana fa adala ny zokiolona iray raha miverina milalao. Anisan’ny manafaingana ny fikorontanan-tsaina ny tsy fahampian’ny kilalao eo amin’ny fiainan’ny olona iray na tsy mbola antitra aza izy. Mitombo ny torimaso sy ny fahazoto-komana, mihena kokoa ny rarintsaina sy ny tsy fitadidiany ho an’ny zokiolona entina milalao matetika…
Manatanteraka atrikasa fampiofanana ho an’
ireo ho mpampiofana mahakasika ny fandraisana an-tanana ireo olona manana fahasembanana ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka UNICEF. Fikambanana sy vondrom-pikambanan’ny olona manana fahasembanana, Humanity Inclusion no mandray anjara amin’izany.
Tokantrano 716 traboina, ao amin’ny kaominina Taolagnaro, no nizarana fanampiana avy amin’ny BNGRC, ny faran’ny herinandro teo. Vary 60kg sy voamaina ary menaka no nozaraina tamin’izany.