Toy ny fanao isan-taona! Notanterahina teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny fankalazana ny Andron’ny zandarimariam-pirenena. Nanamafy ny minisitra delege misahana ny Zandarimaria, ny Jly Rakotondrazaka Andry, fa tsy afa-mandeha irery intsony fa tsy maintsy miaraka ny zandary sy ny polisy ary ny Tafika
Niavaka! Izay no azo ilazana ny fankalazana ny Andron’ny zandarimariam-pirenena teny Mahamasina, omaly. Niantomboka tamin’ny fotoam-bavaka ny lanonana natrehin’ireo tomponandraiki-panjakana ambony eto amin’ny firenena sy ny fianakaviamben’ny Foloalindahy. Nisy ny hafatrafatra nomen’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ka anisan’izany ny fanatonana hatrany ny vahoaka. «Mitaky fahavononana hiatrika adidy sy fahatsiarovan-tena lalina amin’ny fikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena anefa izany», hoy izy. Lohahevitra tamin’izao fankalazana izao rahateo ny: «Miaro ho antoky ny fampandrosoana ifotony» (Mafy).
Nohamafisin’ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andry, fa vaninandro manatantara ho an’ny zandarimariam-pirenena ny 2 avrily satria feno 55 taona ny nandraisan’ny Malagasy voalohany ny fibaikoana azy tamin’ny alalan’ny Kly Ratsimandrava Richard.
Zandary manakaiky vahoaka
«Tsy afaka mandeha irery intsony fa tsy maintsy miaraka ny zandary sy ny polisy ary ny Tafika», hoy izy. Nambarany hatrany fa natao izao mba hampisehoana ny olona ny firafitry ny zandarimaria. Eo koa ny fanamafisana ny fitsipi-pifehezana sy ny fahaiza-manao. Maro ny ezaka efa vita tamin’ny alalan’ny fanakaikezana ny vahoaka, anisan’izany ny famongorana ny asan-jiolahy mpaka an-keriny sy mitam-piadiana. «Tsy mijanona ny hetsika Harato II raha tsy fongana ny tsy fandriampahalemana any amin’iny faritra Ankazobe iny. Tohizana any amin’ny faritra hafa izany», hoy hatrany ity manamboninahitra jeneraly ity. Rehefa manana fitoniana sy fandriampahalemana ny olona dia mitombo koa ny toekarena eto Madagasikara.
Jean Claude