Ratsy tarehy mangata-bady

 

Manomboka sahady ny fisotasotana sy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny kandidà sasany. Mafy ny tsindry amin’ny tokony hahalany azy amin’ny faritra misy azy. Zava-doza rahateo ny manjo azy ireny raha sanatria tsy lany kanefa nahazo «mandat » na ilay fahazoan-dalana hampiasa ny anaran’ingahy Filohan’ny Repoblika. Tsy nomena fahatany akory ireny fa mitaky vokatra.
Misy amin’ny olona nosafidiana anefa no tsy manana olona eny ifotony akory. Ho an’Antananarivo Renivohitra sy ny Boriborintany enina dia ho henjankenjana ny lalao satria samy manana ny tanjany ny mpanohana sy ny mpanohitra. Manginy fotsiny ny kandidà tsy miankina mbola anatin’ny heriny ihany koa. Misy amin’ny kadidàn’ny fitondrana anefa no tsy hita taratra sy tsy niasa akory teny amin’ny fiarahamonina nisy azy. Asa re! Ilay ratsy tarehy mangata-bady ka ny anaran-dray no arangaranga.
Zava-doza, mihazakazaka anatin’ny fotoana fohy ny fizotry ny toe-draharaha politika. Milomay, araka izay tratra, ny kandidàn’ny fitondrana. Olana ho azy ireny anefa, sady malailay fonosana no manao fiaron’amboalahy antitra ny sasany. Mihidy, malaina misokatra amin’ny olona vonona sy vanona.
Zary toa fananan’ny antoko sy ny mpiray petsapetsa ny fanjakana. Toa tsy tsaroan’izy ireny fa mpindrana fotsiny izy ireo. Variana amin’ny fahefana sy ny vola eo am-pelatanana ary mitoky tanteraka amin’izany. Hadino fa ny vahoaka no tompon’ny teny farany, hany ka manao tsindry amin’ny endriny rehetra mba handrombahana fahefana.
Eo indrindra no tokony hahamailo ny filohan’ny Repoblika tsy hihinana am-bolony amin’ny toky sy ny lelamamy ataon’ny “ mpisalobon-komana” sy ny “ mpila ranondranony” diso toerana. Tsy misy fandresena azo mialoha izany fa sanatrian’ny vava ka io fifidianana solombavambahoaka io no ho singam-bolo handavo ny vositra.

r.r

Partager sur: