Mampivoatra ny fandidiana katarakta ny fiaraha-miasan’ny CHU Anosiala sy ny fikambanana Pneumo-Aide, amin’ny alalan’ny teknika moderina “Phacoemulsification”. Mitondra fitaovana maro hatrany ny fikambanana rehefa handidy maimaimpoana eto Madagasikara.
Fizaham-pahasalamana sy fitsaboana momba ny maso no anisan’ny tolotra natao teny amin’ny CHU Anosiala taloha. Niroso tamin’ ny fandidiana izy ireo ny taona 2022, araka ny fanazavan’ny talen’ny hopitaly, ny profesora Rajaonarivony Tianarivelo. Nitondra fanavaozana amin’ny fandidiana ny katarakta eo anivon’ny CHU Anosiala ny filohan’ny fikambanana Pneumo-Aide, ny dokotera Bernand Etcheverry, tamin’ny fomba “Phacoemulsification” izay teknika avolenta manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Fandidiana sarotra tsy mbola ampiharina amin’ny hopitalim-panjakana eto Madagasikara izany, araka ny nambarany ihany. Nandritra ny taona 2023, fandidiana katarakta andiany roa no natao teny amin’ny CHU Anosialy niaraka amin’ny dokotera Michel Di Nolfo sy ny ekipan’ny sampana fitsaboana maso eny an-toerana. Niditra amin’ny fandidiana andiany fahatelo ny ekipa nanomboka ny 7 avrily lasa teo ka hatramin’ny anio. 150 eo ho eo ireo efa nodidiana miaraka amin’ny fomba moderina sy avolenta. Nahazo fitaovana vaovao “microscope opératoire à double optique” koa ny CHU Anosiala vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana Pneumo-Aide sy ny Total energie marketing eto Madagasikara. “Hanatsara ny fandidiana ny katarakta ny fitaovana vaovao sady hanamora ny fanofanana an’ireo Malagasy mpandidy maso”, hoy ny dokotera Michel Di Nolfo. Ho an’ireo sahirana tsy afaka hanefa vola amin’ny fandidiana ny katarakta ny tolotra omen’ny CHU Anosiala, indroa isan-taona. Hotontosaina ny volana desambra ny fandidiana andiany fahefatra. “Na tsy eo intsony aza ny dokotera mpanorina ny Pneumo-Aide, hitohy ny fandidiana katarakta maimaimpoana eny amin’ny CHU Anosiala”, hoy ny filoha vaovaon’ny fikambanana izay zanany vavy ihany, Laure Eva Etcheverry.
Vonjy A.