Ambasadaoro iray andro : misokatra ho an’ny tovovavy ny fifaninanana

Mikarakara fifaninanana ho an’ireo tovovavy rehetra tsy ankanavaka manerana ny Nosy ho ambasadaoro mandritra ny iray andro ny masoivoho amerikanina. Afaka mandray anjara ny tovovavy 14 ka hatramin’ny 18 taona. Mamaly ny iray amin’ireo fanontaniana telo apetraka. Alefa ao anaty horonan­tsary ny famaliana izany, izay 2 minitra ny faharetany. Azo valina amin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra an-tsoratra ihany koa izany, ka tsy tokony hihoatra ny teny 300 ny fandrafetana atao.

Anisan’ny fanontaniana amin’izany ny: “heverinao ve fa indray andro any dia hanana vehivavy ho filoham-pirenena i Madagasikara?” “Inona no soso-kevitrao hanomezana fahaleovantena ny tanora vehivavy malagasy?” “Inona ny tolo-kevitra azonao omena mba hampitomboana ny fahafahan’ny zatovovavy hianatra?”
Alefa amin’ny alalan’ny WhatsApp 033 30 346 32 ny fandraisana anjara mialoha ny 8 mey amin’ny 12 ora alina. Mbola manana iray volana, araka izany, ireo zatovovavy maniry handray anjara hanomanana ny valin’ny iray amin’ireo fanontaniana tiany hanehoana hevitra.

Mahazo fiofanana ho mpitarika izay mahafa-po ny vokatra entiny. Sady mahazo traikefa momba ny fitarihana ihany koa no manitatra ny fifandraisana eo amin’ny sehatry ny asa.

Tatiana A

Partager sur: