INDRAY MIJERY

Nampahatsiahy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa mifarana ny 26 avrily izao ny fisoratana anarana sy fandraisana ny antontan-taratasy rehetra ilaina ho an’ireo tanora maniry ny hiatrika ny fanadinana bakalorea amin’ity taona ity. Tsy misy antontan-taratasy azo ekena intsony aorian’io daty io.
Nampahafantatra ny masoivoho Amerikanina fa hiverina hisokatra amin’ity volana ity ny American Center ao an-toerana. Fampirisihana ireo mpianatra hamaky boky sy hanao fikarohana no antom-pisian’ny ivontoerana. Fanovozam-pahalalana amin’ny alalan’ireo tahirin-kevitra maro ihany koa.
Mbola eo am-panoloana ireo fitaovana simba amin’ny milina fanaovana “radiothérapie” ao amin’ny HJRB ny fanjakana sy ny Indianina amin’izao fotoana izao. Noho izany, miato ny fandraisana marary mba hanatanterahana ny fanamboarana. Miasa mafy ka mila fikolokoloana ny milina, voatery mandeha eny amin’ny hopitaly tsy miankina, araka izany, ireo marary.
Hanatanteraka fanaovam-baksiny faobe
hiarovana amin’ny aretina poliomelita indray ny fanjakana ny 14, 15, 16 ary ny 17 mey ho avy izao, manerana ny Nosy. Natokana ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ ny 15 taona izy io. Nampiarahana amin’ny fanomezana fanafody hiarovana amin’ny aretina ongobe koa ny he­
tsika ka distrika 13 no hahazo izany.

Partager sur: