Ao anaty fahasahiranana ny mponin’ny tapany avaratry ny Nosy amin’izao, vokatry ny rivodoza farany teo: miakatra ny vidim-piainana noho ny fahatapahan-dalana, naman’ny afoy ny fambolena difotry ny rano… Fotoam-pifidianana koa izao, ka tsy vitsy ny karazana hetsika etsy sy eroa: fidinana ifoton’ny mpanao politika sasany, fizarana fanampiana… Mifangaro voraka amin’izany ny fijerena traboina sy ny fampielezan-kevitra, raha ny fijerin’ny mpandinika sasany? Na misy ny manararaotra…
Amin’ny maso tsy miangatra: tsy ny maro eny ifotony ve no traboina? Tsy hoe maniry loza na voina amin’izany, fa tsy mbola afa-bela amin’ny fahasahiranan-dava ny vahoaka. Tsy mifankaiza amin’ny traboina? Mila vonjy. Tsy efa karazan’izany hatramin’izay? Na famonjena traboina no natao amin’ny hoe sosialim-bahoaka… Tsy vahaolana maharitra fa vonjy tavanandro, famalifaliana, tampi-maso… Sanatria, lasa fitaovana politika? Ny mpanao politika sasany manao tohatra fiakarana mahazo toerana, fa ny vahoaka ifotony mijanona mahantra hatrany… Mandra-pahoviana?
Traboina mandavantaona ny vahoaka ifotony? Na famonjena traboina no natao hatramin’izay. Nefa mihalalina sy mahahenika ny rehetra ny fahavoazana sy ny fahapotehana: ny harem-pirenena robain’ny hafa tsy hita be ihany, ohatra, ny tsy fandriampahalemana tsy mahafa-bela, ny tsy fisian’asa manampy trotraka, ny fahafaha-mividy ambany mahakely aina… Inona no (h)atao amin’izao? Eny, amin’ny fifidianana, izay hoe, solontenam-bahoaka ao anaty fanjakana ihany aza aloha. Hisolo voina amin’izay mahazo azy sa hisolo tena antoko na vondrona? Sanatria, tavela eo ihany ny vahoaka sy ny fahasahiranany fa fitaovana politika hatrany. Ho hita eo ny hoe vahoaka tompon’ny teny sy tompom-pahefana raha mbola manaiky hiakarana…
R. Nd.