Manana dimy volana ny mpisehatra sy ny minisitera hamolavolana ny fanavaozana ny fandaharam-pampianarana ho an’ny fampianarana teknika. Tanjona ny hampifanaraka ny filan’ny tsena sy ny fahaiza-manaon’ny mpianatra avy eny amin’ny teknika.
Havaozina ny fandaharam-pianarana ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Satria ny taona 1990 no nisy fanovana farany ka efa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny filan’ny tsenan’ny asa intsony ny votoatim-pampianarana ankehitriny, hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rakotondrazafy Lalatiana, omaly, teny Ampefiloha. Ho an’ny taom-pianarana 2023-2024, 34 156 monja ny isan’ny mpianatra manaraka fampianarana teknika sy fiofanana arakasa eny anivon’ireo sekoly teknika sy ivontoeram-pampiofanana arakasa 147 manerana ny Nosy. Tsy mahasarika tanora ny fampianarana teknika fa 30% amin’izy ireo ihany no misafidy ny hanaraka fampianarana teknika raha 70% amin’ny fampianarana ankapobeny. Tanjona ny hampitombo izany ho 50% amin’ny fanovana ny fandaharam-pampianarana ka hamolavola lalam-piofanana vaovao ilain’ny tsenan’ny asa sy ny oniversite. Tsy maintsy hampidirina amin’ny fandaharam-pampianarana ny fampiasana ny teknolojia vaovao, ny fanabeazana olom-pirenena vanona, fanomanana ny mpianatra ho mpandraharaha ary ny fifehezana ny serasera.
Hampitomboina koa ny ora hanaovana fampiharana ka afaka hiditra amin’ny tontolon’ny asa avy hatrany rehefa mahazo ny mari-pahaizana bakalorea teknika ilay mpianatra noho izy ireo ampy traikefa. Nanomboka omaly ny fakan-kevitra miaraka amin’ny mpisehatra amin’ny fampianarana teknika rehetra sy ny mpandraharaha ary ny mpampianatra eny amin’ny onivesite sy ny mpampiofana. Handinika ny volavolam-panavaozana avy amin’ny minisitera izy ireo sy hitondra fanatsarana. Hanomana fanofanana ireo mpianatra tsy tafiditra kilasy 2nde eny amin’ny fampianarana ankapobeny koa ny minisitera ho afaka hiatrika ny fanadinana bakalorea afaka telo taona.
Vonjy A.