Nisitraka ny fanamafisana ny fahaiza-manao ireo mpikaroka ao amin’ny ivontoeram-pikarohana nasionaly momba ny tontolo iainana na ny CNRE sy ny ivontoeram-pikarohana nasionaly momba ny ranomasina CNRO.
Efa nahavita ny fanatevenana ny fahalalana kosa ny avy ao amin’ny ivontoeram-pikarohana 4 dia ny PBTZ, ny IMVAVET, ny CNARP ary ny CNIRT.
Tanjona ny hanomezana ny fahaiza-manao ho an’ireo mpikaroka, ny hananana ny fahalalana ampy sy feno mahakasika ny fizaka-manana indostrialy sy ny lafiny haivao teknolojika ary ny fomba fiasa ara-kalitao eo amin’ny sehatry ny laboratoara.
Zava-dehibe indrindra koa ny fampahafantarana mahakasika ny fizaka-manana ara-tsaina satria mila arovana ary tokony hahasaro-piaro ny haren-tsaina nahatonga ny voka-pikarohana.
Miara-mamindra amin’ny fanatanterahana ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo mpikaroka ny Mesupres sy ny Omapi ary ny Cati. Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fikarohana sy ny haivao ao amin’ny Mesupres ny ezaka.
Tatiana A