Fitsaboana maimaimpoana: hiroso amin’ny fandidiana ny Mercy Ships

Efa vita ny fandraisana ny anaran’ireo hotsaboina eo anivon’ilay sambo hopitaly Mercy Ships miantsona ao Toa­ma­sina, amin’izao fotoana izao. Hanao ny dingana manaraka izy ireo aorian’izany.
Hotanterahina manomboka ny 28 mey izao ny fizahana sy ny fandidiana ho an’ireo marary mila izany raha tsy misy ny fiovana. Efa tokony ho nifarana ny 29 marsa teo ny fisoratana anarana tamin’ireo faritra miisa 12, ho an’ireo te hisitraka ny fitsaboana. Nahemotra anefa izany ka vita tamin’ny fiandohan’ity volana avrily ity. Anisan’ny nampananosarotra sy nahatara ny fandraisana izany ny andro ratsy sy ny rivodoza nandalo teto amintsika farany teo. “Hiroso tsy ho ela amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary izahay izao. Hitondra fanantenana sy fahasitranana ho an’ny olona maro. Midika ho fahatokisana anay ny hamaroan’ireo mila fandidiana ary manosika anay hanohy izany hatrany”, hoy ny fanambaran’ny tale misahana ny fifantenana ireo marary, Ria Bos. Nanteriny fa efa dingana ho any amin’ny fahombiazana ny nahavitan’ny fandraisana anarana ho an’ireo mila fitsaboana avy amin’ny faritra rehetra. Eo koa ny haha matihanina ireo mpiasan’ny fahasalamana eto an-toerana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandidy.
Tsiahivina fa anisan’ny anaovana fandidiana amin’ izany ny fivontosana amin’ny tarehy na tenda. Ny areti-maso katarakta, ny hernie, ny bingo, ny sima sy vaky lanilany, mikainkona vokatry ny fahamaizana eo amin’ny vatana…

Synèse R.

Partager sur: