Ho an’ny taona 2024, mahatratra 700 miliara Ar ny sorabola ilaina amin’ny fanaovam-baksiny. Mandray anjara amin’ny fividianana ny vaksiny mahazatra (BCG, DTCoq, VAR…) ny fanjakana ary manome ny olona hiasa hanao vaksiny. Ankoatra izay, manaparitaka ny vata fampangatsiahana hitehirizana ny vaksiny ihany koa.
Hisy fidinany ny maripana ambony indrindra any amin’ny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy, ahitana fiakarany ny ankoatra izay. Ny faran’ny herinandro, hisy oram-baratra mitsitokotoko any amin’iny tapany avaratry ny Nosy iray manontolo iny. Tombanana hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina, nanomboka omaly hatramin’ny alatsinainy ho avy izao, eo anelanelan’i Morombe sy Farafangana.
Mandray anjara amin’ny fanampiana ireo olona traboina vokatry ny rivodoza Gamane nandalo tany amin’ ny tapany avaratry ny Nosy ny USAID Madagascar, amin’ny alalan’ny fanohanana ny World Food Programme. Namatsy vokatra ara-tsakafo toy ny voamaina sy vary ary menaka any amin’ireo faritra 5 tena voa mafy izy ireo.
Mahakasika ny vehivavy 3 amin’ny 10 ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy eto Madagasikara. Raha ny tatitry ny UNFPA, tamin’ny taona 2023, olona niharan’ny herisetra maherin’ny 27 000 no nomena tantsoroka niaraka tamin’ny firaisamonim-pirenena sy ny vadin’ny filoham-pirenena ary ny minisiteran’ny Mponina. 31 ireo foibe mandray an-tanana ireo niharan’ny herisetra.