Mandehandeha mahita raha! Sehatra iray mahaliana ny olona aty ambanivohitra ny resaka politika. Tsy mifidy toerana lalovana fa izay hijanonana dia mitovy ny tadindokanga: Inona no malaza any Iarivo any? Inona ny vaovao? Ahoana ity vidim-piainana ity? Mankaiza ny zotran’ny fifidianana depiote? Ambetitenin’izay hivantanana na hijanonana ireo. Hita ny fangetahetan’ny sarambabem-bahoaka ny zavamisy marina, indrindra ny ao an-dRenivohitr’i Madagasikara.
Miainga avy ao Antananarivo Renivohitra ny fitaratra sy maodely amin’ny fiainam-pirenena. Izay mivoaka sy tapaka ao no heverina fa “tena izy”. Anisan’ny ahitana taratra izany ny resaka fifidianana. Maro amin’ny olona nifampiresahana no somary gaga tamin’ny voka-pifidianana farany teo. Misy ny vaky vava amin’ny faritra maro fa efa nitady fiovana sy fanovana izy ireny kanefa ny teo ihany no miverina! Sanganehana sy nametra-panontaniana ny tantsaha madinika hoe tena kofehy manara-panjaitra fotsiny ve ny any amin’ny faritra?
Tsy hita be ihany no havaly azy ireny! Tsy manan-jo hitsara na manan-jo hanontsana aza ny mpanao gazety. Misintona lakolosy no azo atao. Hiditra amin’ny fampielezan-kevitra atsy ho atsy, mialoha ny famoahan’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ny lisitra farany hisy ireo kandidà hisafidianana. Dieny izao, mila mahay lesona ny herivelona rehetra mba hisian’ny fifidianana madio sy tsy aorina ambony fitaka.
Tsy vanim-potoana handrehetana na ilalaovana afo intsony izao, fa fotoan’ny fitoniana mba hitadiavam-bahaolana amin’ny krizy toekarena sy sosialy. Iaraha-mahita fa tsy mahafehy ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny tsy fandriampahalemana intsony ny tomponandraikitra. Tsy tokony hirona mankany amin’ny fandetehana ny tanindrazana anaty lavaka mangitsokitsoka intsony na iza na iza. Vahoaka malagasy voky sy miadana anaty firenena mandroso no mba nofinofin’ny maro anisa aty ambany ravinahitra.
r.r