Natomboka tamin’ity herinandro ity, tao Farafangana, ny tetikasa “McGovern-Dole Food for Education Project” Mavitrika Mianatra (MaMi), izay iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fikambanana Catholic Relief Services (CRS). Tetikasa vatsian’ny Departemantan’ny fambolena avy any Etazonia na United States Departement Agriculture (USDA) vola ao anatin’ny dimy taona. Nisolotena ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena tany an-toerana ny tale jeneraly misahana ny sekoly, Ranosy Eliane, ary nisolotena ny Catholic Relief Servicies kosa i Sodio Amakala. Entina hisantarana ny tetikasa MaMi ny fampisakafoana an-tsekoly ka mpianatra kilasy garabola sy amin’ny ambaratonga voalohany miisa 52 658 no hisitraka izany ao amin’ny Cisco Vondrozo sy Farafangana.
Mahatratra 80 000 ny isan’ ireo mpianatra misitraka mivantana ny fampisakafoana an-tsekoly ao anatin’ny tetikasa Mavitrika Mianatra. Antoka iray hitazomana ny kilonga any an-dakilasy ny fisian’ny sakafo isan’andro sady manampy amin’ny fifantohana.
Vonjy