Hitondra fanatsarana : notombanana ny tolo­tra eny amin’ny CSB II

Notilina ny fahazoan’ny olona misitraka tolotra fahasalamana eny amin’ny CSB II miisa 16, anatin’ny faritra valo (roa isaky ny faritra), ny taona 2023. Mba hanatsarana ny rafitry ny fahasalamana eny ifotony ka handraisan’ny fanjakana ny andraikiny hisitrahan’ny vehivavy sy ny ankizy ary ny tanora tolotra feno manana kalitao no antony. « Nidina ifotony teny anivon’ny CSB II nanao fanadihadiana ny firaisamonina sivily, nijery ny zava-misy amin’ny tolotra sy ny fitaovana ary ny fiasan’ny tomponandraikitra sy ny mpisitraka », hoy ny mpikambana ao amin’ny vovonana Hina, Andotiana Rivomahaleo. Nisongadina fa misy ny lesoka, ohatra, eo amin’ny fahatapahan’ny karazam-panafody fandrindram-piterahana eny amin’ny CSB II ka tsy ahazoan’ny olona misafidy izay mety aminy. Ny fitaovana rahateo tsy ampy ary rehefa misy ny hamehana, miraviravy tanana ny mpiasan’ny CSB (tsy misy fiara mpitondra marary ho any amin’ny hopitaly … ). Monina any amin’ny 5km ny 65% amin’ny vahoaka ka tsy manatona eny raha tsy efa sarotra ny aretina noho ny fahalavirana.
Taorian’ny fanadihadiana, maniry ny hisian’ny fivoarana ireo mpisitraka ny tolotra sy ireo mpiasan’ny fahasalamana tamin’ny CSB II miisa 16 niasana. Anisan’izany ny tokony hampitaovana azy ireo amin’ny fotoana ilana azy. Fametrahana ny isan’ny zaza tokony hisitraka vaksiny anatin’ny ordinatera ary famatsiana herinaratra ny tobim-pahasalamana.
Efa misy ampahany amin’ireo hetaheta ireo no eo am-panatanterahana azy amin’izao fotoana izao, toy ny fanomezana fitaovana sy kojakojam-pitsaboana eny amin’ny CSB II.

Vonjy

Partager sur: