Nanao tatitry ny asa vita tao anatin’ny 100 ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, araka ny baiko nomen’ny Filoham-pirenena.
Tanjona ny hametrahana fampianarana tsara kalitao. Natsangana ny oniversite manara-penitra manakaiky vahoaka sy azon’ny rehetra sitrahina. Hotokanana tsy ho ela ny oniversite any amin’ny faritra Itasy sy Analanjirofo.
Maro ny tombontsoa entin’izany amin’ny fampandrosoana ny faritra tsirairay. Paikady entina mampihena ny fifindra-monina any ambanivohitra koa ny fananganana oniversite isam-paritra.
Fandaharam-pampianarana mifanaraka amin’ny filana any an-toerana no hita amin’ireo oniversite natsangana. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny maha olona sy fanomezana asa ireo tanora hahazo diplaoma.
Fanambin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpampianatra avy amin’ny oniversite any ivelany izay mifanaraka indrindra amin’ny fanatsarana ny traikefan’ny mpampianatra eto an-toerana. Eo koa ny fanamafisana ny lentan’ny fahaizan’ ireo mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo.
76, 14% ny tanjon’ny fampiofanana mpampianatra no efa tratra. Mpampianatra miisa 218 no kendrena ho vita fiofanana tanteraka.
Nanentana amin’ny fandrindram-piterahana ho an’ireo mpianatra ihany koa ny minisitera mba hisorohana ny vohoka tsy iriana, hahalavorary ny fahavitan’ny fianaran’ny tanora. Mpianatra an’aliny no efa nofanina manerana ny Nosy.
Tatiana A