Moramanga : tafapetraka ny oniversite vaovao

Tombony ho an’ireo mpianatra maniry ny hanohy fianarana ambony ao amin’ny distrikan’i Moramanga ny nametrahana ny oniversite vaovao amin’ny kaominina Ambanivo­hitr’Ambohibary. Napetraka ny faran’ny herinandro teo izany. Mifandray amin’ny oniversiten’i Toamasina ity vao na­tsangana ao Moramanga ity.
Misy sampam-pampianarana momba ny tontolo iainana, dokotera ary anthropolojia ao Moramanga. Nampahafan­tarina nandritra ny hetsika ny tale hitantana izany oniversite izany. Nisy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Fanalamanga amin’ny fampitaovana ny dabilio.
Oniversite manakaiky va­hoaka no tanjona. Tsy voatery mandeha any Toamasina na aty Antananarivo intsony ireo mpianatra afaka fanadinana bakalorea fa afaka manohy fianarana ao an-toerana ihany. Manala fahasahiranana ho an’ireo ray aman-dreny ihany koa amin’ny fandefasana ny zanany hianatra alavitra ny fahavitan’ny fotodrafitrasa.
Mandry andriran’antsy ireo ray aman-dreny mampiana-janaka alavitry ny akany noho ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fahavitana manara-maso akaiky ny zanany. Eo indrindra koa ny fitadiavana vatsy.
Nanome toky ireo mpampianatra ao an-toerana fa tsy hanao ambanin-javatra ny kalitaom-mpampianarana sy hametraka ny lentan’ny fahaizan’ireo mpianatra manovo fahalalana ao.

Tatiana A

Partager sur: