Hivoaka anio ny lisitra ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, mahakasika izay ho kandidà depiote. Lisitra maha sasa-miandry sy mampitaintaina ho an’ireo izay mamim-bahoaka kanefa tsy anaty fitondrana na olona manana ny maha izy azy, saingy mety haharesy ny kandidàm-panjakana. Asa na ho tafa na tsy ho tafa izy ireny, noho ny maha didy tsy azo ivalozana avoakan’ny mpitsara ambony ao amin’ny HCC? Samy miandry!
Manova zavatra maro amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ny fanapahan-kevitry ny HCC anio. Tsy ho an’ny kandidà izay mety ho voailika amin’ny ora farany ihany, fa indrindra ho an’ny fitondram-panjakana. Misy ary tsy takona hafenina ny kandidàm-panjakana izay tsy mahafeno fepetra hahatarika vahoaka no natao tery vay manta fotsiny. Hany ka manolo-bato mafana ilay filohan’ny Repoblika. Misy dia mpanolotsaina mpanipy hoditr’akondro fotsiny.
Raha mba madio filalao! Tsy natao ho an’olona madio fo sy vonona hifanome tanana anatin’ny fahasamihafana tokoa ny politika eto Madagasikara? Mibaribary loatra ny fanaovana ampihimamba ny fahefana sy ny tsindrihazolena ataon’ny sasany. Ny an’ny hafa, teren-komasaka toa voalobo-jaza ny ho fampandaniana azy. Misy aza ny mivarotra am-pitsanganana ny olona tohanana amin’ny ranty sandoka amin’ny tambajotran-tserasera.
Mila olona afaka ny hijery ifotony ny zava-misy ny Filohan’ny Repoblika, tsy ho voafitaky ny olona milaza ho tia azy. Betsaka ireo mivaro-delamamy fotsiny. Misy ny mpanao tatitra diso na minia manafina azy ny zava-misy tena marina any ambany ravinahitra any.
Maro no velon-taraina amin’ny afitsoky ny mpanohana fitondrana sasany, hany ka ilay Filoham-pirenena hatrany no voahoso-potaka. Fanadinana manaraka, hitsarana sy hanarenana ny lesoka ny amin’ny 29 mey.
r.r