Fandraisam-bahiny sy fizahantany: afaka miofana any Maorisy ny Malagasy

Mivoatra ny tontolon’ny fiofanana ho an’ny fandraisam-bahiny sy fizahantany vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny ivontoeram-panofanana maorisianina.

Afaka mandefa tanora any amin’ny ivontoeram-pampifonana ma­na­ra-penitra amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny sy ny fizahantany atsy amin’ny Nosy Maorisy i Mada­gasikara. No­tan­terahina, ny faran’ny herinandro teo, tany an-toerana, ny fanaovan-tsonia ny taratasy fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Bradford Institute, mahakasika izany. Ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rakoton­drazafy Lalatiana, no nisolo tena ny fanjakana malagasy. Manome ny fampiofanana ny Bradford Institue. Ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa kosa no manao ny sivana ireo tanora mahafeno fepetra sy afaka hanaraka izany fiofanana izany. Ity sekoly lehibe atsy amin’ny Nosy Maorisy ity no miantoka ny fandefasana ireo mpiofana amin’ny hotely rehefa hanao fampiharana. An­draikiny koa ny mitady ny hotely na sambo handray ireo tanora ireo hiasa.
Momba ny sandan’ny fiofanana, manolotra ny 40% amin’ ny vatsim-pianarana ny Brad­ford Institute. Iarahany mitady amin’ny minisitera ny famatsiam-bola, izay 60% ambiny amin’ny alalan’ny fa­metrahana fifanarahana amin’ireo banky efa miara-miasa amin’ny Bradford Institute ihany.
Zava-dehibe amin’ny fana­tsarana ny tontolon’ny fanofanana arakasa izao dingana vita izao satria fiofanana manara-penitra no harahin’ireo tanora handeha any ary hiasa avy hatrany aorian’ny fiofanana.
Efa nitsidika ny hotely hanaovan’ireo Malagasy hiofana ao amin’ny Bradford Insitute, fianarana asa, ny minisitry ny Fampianarana teknika. Nisy koa ny fifampiresahana tamin’ny Confedera­tion of Tourism and Hospi­tality, Institut Londonien, izay manome ny fankatoavana ho an’ny Bradford Institute.

Vonjy

Partager sur: