Fanofanana faobe : tanora 85 mahafehy ny taotrano sy ny asa vaventy

Hetsika roa sosona no notanterahina teo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, omaly. Samy mifototra amin’ny taotrano sy ny asa vaventy avokoa ireo.

Notolorana ny taratasy manamarina ny fahavitan’ny fiofanana mo­mba ny fananganan-trano sy ny asa vaventy ny tanora 85, lahy sy vavy, avy amin’ny faritra rehetra tonga niatrika izany, teny amin’ny INPF Ivato. Nanomboka ny 6 avrily lasa teo ny fampianarana, niarahana tamin’ny Ivontoerana momba ny fotodrafitrasa (Ininfra), tao anatin’ny fanofanana faobe. 400 ireo nisoratra anarana fa 100 no nosafidiana hisitraka izany ary 85 ireo nahatody hatramin’ny farany. 10 ny vehivavy tamin’ireo mpiofana ary niavaka izy ireo nandritra izany. 27 no nisongadina tamin’ny fifehezana izay norantoviny ary hiatrika ny fandraisana mpiasa avy hatrany miaraka amin’ny orinasa mpikambana anatin’ny Sendikàn’ny indostria eto Madagasikara (Sim). Samy handalo amin’ny dingana fifanatrehana amin’ny mpampiasa avokoa ireo nahavita nandranto fahaizana, hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rakotondrazafy Lalatiana.

Fiaraha-miasa
Tontosa, omaly, koa ny fanaovan-tsonia fanohizana fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa Alpha Ciment sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Hampiofana mpampiofana amin’ny sehatry ny taotrano sy asa vaventy sy olona mpanamboatra milina amin’ny fomba atao tanana ny roa tonta. Manampy izany ireo tanora mpianatra asa tanana miisa 150 amin’ny asa ilana simenitra (parpin, pavé, buse…). Tanora avy ao amin’ny kaominina Tritriva, Alatsinain’Ibity ary Andra­no­ma­nelatra no hisitraka izany ary mpanao asa tanana avy ao Antsirabe ireo hiofana amin’ny fanamboarana milina hamokarana akora ilana simenitra. Hotanterahina manomboka ny 28 avrily, ao amin’ny foibe fanofanana teknika Antsirabe, ny fiofanana.

Vonjy

Partager sur: