Ezaka fiaraha-miasa iray mikendry ny hiadiana amin’ny fanararaotana ara-nofo sy fitrandrahana mamoafady amin’ny internet (OCSEA) no nametrahana ny filankevitry ny manam-pahaizana. Tafiditra ao anatin’ny Drafitrasa hampitsaharana ny famarinana olona maneran-tany izany.
Nampiantso ny fivoriana voalohan’ity filankevitry ny manam-pahaizana ity ny sampandraharaha misahana ny fiarovana ao amin’ny masoivoho amerikanina sy ny Biraon’ny Firenena mikambana misahana ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava (UNODC). Mpisehatra maro amin’ny rafi-panjakana samihafa sy ny sehatra tsy miankina ary ny firaisamonina sivily no mivondrona ao anatin’izany.
Hiara-hiasa amin’ny fanenjehana ireo mpandika lalàna, ao anatin’ny fanajana ny lalàna malagasy, na eto an-toerana izy ireo na any ivelany, no tanjon’ny hetsika.
Manaporofo ny fahavononana hiady amin’ny famarinana olona sy hanamafy orina ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ity sehatra ity ny hetsika.
Hivory tsy tapaka ny filankevitry ny manam-pahaizana ho fanamafisana ny fifampizarana vaovao, ny tantsoroka, ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny samy mpisehatra ary koa ny fiaraha-mandinika ireo tranga miseho, mba hahazoana antoka fa haingana sy mahomby ny ady atao amin’ireo OCSE.
Tatiana A