Ho lalao maloto?

 

Mbola mitohy foana ny antsojay ifanaovan’ny samy mpanao politika. Ny mifanipaka an-toerana toa valala an-karona, andaniny. Ny ankamely sy ny ankasomparana amin’ izay tsy mitovy hevitra, ankilany. Taratry ny tsy fahatokisan-tena sy ny fahalemena anefa izany. Manaporofo ny tsy fahazakana fifaninanana. Fihetsika mifono hafatra hafa­hafa rahateo, indrindra amin’izay ho vokatra mivoaka eo.
Toa sanatrian-dresaka fanaovana amboletra amin’ny tsy maintsy hahazoana fandresena no dikany. Mbola tsy velona akory ny kiririoka dia misy tokony hahazo karatra mavo. Indrisy anefa fa ny mpitsara aza tsy hita be ihany ny handraisana azy. Ny mpikarakara ny lalao, efa iarahan’ny rehetra mahita fa manaraka ny feon’ny “patron”ny. Manahirana!
Manoloana izany, mahavariana ny mitazana ny mpilalao. Ireo milaza fa iharan’ny tsindry sy ny tsy rariny, toa mitazam-potsiny. Toa vazaha mody miady ihany eny ambony kianja. Milaza tsy tia vary mohoka kanefa mahalany sosoa be rano. Mangina fotsiny amin’ny tsy ara-dalàna efa mibaribary. Tsy misy ny firaisan-tsaina sy firaisankina fa toa samy mandakadaka ny baolina amin’izay heveriny fa hahatafiditra any anaty harato avy.
Misy ny sady malemy no resy tsy miady. Manginy fotsiny ireo sambo-dokotra sy naiditra am-ponja. Nitadiavana vesatra handetehana azy mba tsy ho afaka miakatra kianja avy hatrany na “forfait”. Ady fiady ny fifidianana eto Mada­gasi­kara. Izay tena demokrasia aloha mbola am-bava fotsiny ihany. Hatrany amin’ny tomponandraikitra natao ho fitaratra sy hiaro izany aza iaraha-mahalala fa napetrapetraka tanaty lalao maloto avokoa! Fingampin­gana sy ankasomparana, miaraka amin’ny fanilihana izay tena vonona hiasa madio ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro.

r.r

Partager sur: