Ady amin’ny aretina lefakozatra : Hisy fanaovam-baksiny faobe ny 14 -17 mey

Nahatsapa vokatra tsara ny tomponandraikitra taorian’ny andiam-baksiny faobe, maimaimpoana, iadiana amin’ny aretina lefakozatra eto amintsika. Mitohy ny ezaka ka hiroso amin’ny fanaovam-baksiny vaovao indray ny fanjakana.

Nidina ny tahan’ny zaza vita vaksiny mahazatra teto amintsika taorian’ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, niato ny fanaovam-baksiny, teny amin’ny tobim-pahasalamana satria naompana tamin’ny ady tamin’io valanaretina io ny tolotra. Tsy nazoto nanatona teny koa ny ray aman-dreny noho ny tahotra ny hifindran’ny tsimokaretina. 11 ny aretina voasoroka amin’ny fanaovam-baksiny maimaimpoana ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny faharoa taonany. Tafiditra ao anatin’ireo ny lefakozatra. Azo sorohina amin’ny vaksiny atao voalohany amin’ny zaza vao teraka izy io ka mitohy amin’ny fatra telo hafa aty aoriana. Efa nahazo taratasy fanamarinana i Madagasikara fa naharesy ny lefakozatra ny taona 2018. Vokatry ny fiparitahan’ny tay ankalamanjana sy ny tsy fanasana tanana amin’ny rano sy savony nefa, nahitana trangana poliovirus indray, nahatratra 380 ireo voamarina, ny taona 2020, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra teknika ao amin’ny fandaharanasa fanaovam-baksiny, minisiteran’ny Fahasalamam-ba­hoaka. Fitiliana natao tamin’ny olona sy avy amin’ny rano maloto an-tanàn-dehibe miisa fito no nahazoana ny vokatra.
Tamin’ity taona ity, tranga 160 no hita. Tsy voamarina kosa fa lefakozatra ireo. Nisy vokany izany ny fanaovam-baksiny natao hatramin’izay. Ho fanamafisana ny ezaka, hisy ny fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ity aretina ity, ny 14 mey ka hatramin’ny 17 mey ho avy izao. Ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 14 taona, mahatratra 12 851 149, ny vaksiny hotontosaina manerana ny Nosy.

Vonjy A.

Hisy delegasiona manokana
Ho avy eto Madagasikara ny delegasiona avy any ivelany. Ahitana mpikambana ao amin’ny Alliance GAVI, mikarakara ny vaksiny, ireo mpisehatra amin’ny vaksiny mahazatra. Miampy tomponandraikitra ao amin’ny fondation Bill et Melinda Gates, ary manampahaizana momba ny ady amin’ny valanaretina lefakozatra. Haharitra hateloana ny fivahinianan’izy ireo eto amintsika (ny 24 avrily ka hatramin’ny 26 avrily). Anisan’ny anton’ny fitsidihana eto amintsika ny fankasitrahana ny ezaka nataon’ny fanjakana malagasy niady amin’ity valanaretina ity sy ny hetsika fanaovam-baksiny mahazatra.

Partager sur: