Apipa: tokony ho saro-piaro amin’ny fotodrafitrasa iombonana ny rehetra

Manao fanentanana ny Apipa momba ny tokony hiarovan’ny rehetra ny fananana iombonana, indrindra ireo fefiloha miaro ny moron’ny renirano eto Antananarivo. Tsika­ritra ny fahalavorariana amin’ny fa­havitan’ny fotodrafitrasa. Ani­san’izany ny rarivato va­venty manamorona ny reni­ra­non’ Ikopa manomboka eo Anosi­zato hatreny Andohata­penaka.
Tsy ny eo ihany fa maro no efa vita ny diguen’ireny lakandrano vaventy ireny.
Ho an’ny vahoaka ny fotodrafitrasa ary hiarovana ny mety ho tondradrano rehefa fahavaratra.
Mahatsikaritra anefa ny Apipa fa misy manimba sy maka ireo vato narafitra. Ma­nentana, araka izany, ny tomponandraikitra mba hahasaro-piaro ny rehetra ny fananana iombonana. Ho sahy hijoro amin’ny hafitsok’ireo mpanimba zavatra ka hahasahy hiteny.
Misy ny lalàna mifehy ny fiarovana ny fotodrafitrasa, fiarovana ny fananam-bahoaka, fiarovana ny fananam-panjakana.

Tatiana A

Partager sur: