INDRAY MIJERY

Tranga manahirana ny ray aman-dreny: ny zanany autiste marary nify ka tsy hita izay hanaovana azy. Misy ny hetsika iarahana amin’ny fikambanana Autisme Madagascar, atao eny amin’ny Clinique dentaire adventiste Soamandrariny, ny 24 sy 26 avrily izao. Misy manampahaizana manokana amin’ny fikojakojana nify ho an’ireo autiste ho avy ao. Tsy maintsy mamandrika toerana mialoha ireo maniry ny horaisina.
900 Ar ny vidin’ny fatra iray amin’ny vaksiny fiarovana amin’ny aretina lefakozatra any am-potony ho an’ilay karazany atete am-bava. 14 400 Ar kosa ho an’ilay sokajy atsindrona. Tsy mbola tafiditra ao ny sarany itondrana ny vaksiny mankaty amintsika sy ny fanapariahana azy manerana ny Nosy. Omena maimaimpoana ny zaza malagasy ireo ho fitsinjovana ny fahasalamany.
Tsy mbola midina ny vidin’ny legioma eny amin’ny tsenam-pokotany, amin’izao fotoana izao. Mandeha amin’ny kilao avokoa izy ireny ka sahirana ireo mpivarotra hani-masaka. Ny tongolobe sady mando nefa lafo, satria 3 500 Ar ny iray kilao.

Partager sur: