Masoivoho amerikanina: hisokatra ny American Center

Ivontoerana ahafahana manovo fahalalana ho an’ny tanora ny American Center. Hisokatra ato ho ato izy io, araka ny fampahafantarana nataon’ny masoivoho amerikanina.

Nampahafantatra ny ma­soivoho amerikanina fa hisokatra tsy ho ela ny American Center. Ho afaka tsidihina mivantana izany ary ahafahana manaraka ireo fandaharanasa maro ao amin’io masoivoho io.
Feno tahirin-kevitra, na amin’ny alalan’ny boky na ana habaka, ao amin’izany ivotoerana izany. Misokatra ho an’ny tanora manao fikarohana sy liana amin’ny karazana fandaharanasa mivelatra amina sehatra maro.
Anisan’izany ny fihaonana amin’ireo tanora sangany efa nisitraka fandaharanasa amerikanina ka hizara izany amin’ireo tanora namana.
Tamin’ity herinandro ity, ohatra, dia mpianatra avy amin’ny lisea vitsivitsyy eto Antananarivo no nihaona tamin’Andrianirina Gonzalez Harilanto, mpankafy STEM sady maintimolalin’ny programa YALI Centre Régional de Leadership Dakar.
Liana tamin’ny fizarana nataon’i Harilanto ireo mpianatra ka afaka nianatra ny fotrotry ny Science, Technology, Engineering & Mathematics (STEM) sy nanao fampiharana avy hatrany ny teknikan’ny 3D modeling, Electronics ary ny Coding.
Tsy ny rehetra no misitraka izany fihaonana sy fahalalana izany fa ireo tanora mpikambana ao amin’ny American Center ihany.
Any amin’ny faritra, efa misokatra ny American Corner, ahafahana manovo fahalalana ihany koa. Tahirin-kevitra maro no hita sy azo tovozina amin’izany. Eny amin’ny oni­versiten’ Antananarivo no misy izany ho an’ny eto Antananarivo.
Sehatra iray ahafahan’ny tanora mivelatra ny fisian’ny ivontoerana toy itony. Maro ireo tanora miandry fatratra ny fisokafan’ny American Center eto Antananarivo.

Tatiana A

Partager sur: