Nanatrika ny fizarana ny zezika sy masomboly tany Soanierana Ivongo ny filoha Rajoelina. Anisan’ny nambarany koa ny hanamboarana tetezana miampita mankany amin’ny Nosy Sainte-Marie.
Natao tany Soanierana Ivongo, omaly 19 avrily, ny fizarana zezika sy masomboly ho an’ny tantsaha traboina vokatry ny rivodoza Gamane farany teo. Miisa 5 000 ny tantsaha nisitraka tantsoroka avy amin’ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Anisan’ny masomboly azon’izy ireo ny vary, katsaka, voan’anana ary voankazo maro isan-karazany. Karazany telo ny zezika, nahitana NPK, Urée ary zezika organika.
An’arivony taonina ny zezika nozaraina. Nilaza ny minisitra Minae, Ratoharijaona Suzelin, fa tanjona ny fanampiana sy fanarenana ny fiainan’ny tantsaha.
Mahatratra 1 500 ha ny tanimbary sy tanimboly simban’ ny rivodoza tany Soanierana Ivongo. Mirefy 2 500 ha kosa ny velaran-tany narenina. Nilaza ny filoha, Rajoelina Andry, fa « izay mamangivangy tia-kavana. Fantatro fa tia ahy ianareo. Mila mifanampy isika rehetra na an-kafaliana na an-karatsiana ».
Nanome toromarika ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, amin’ny hanaraha-maso ny fitsinjarana ireo zezika sy masomboly ireo mba ho ampy hifanaraka amin’ ny filan’ny tantsaha.
Hasiana tetezana mankany Sainte-Marie
Nampanantenain’ny filoha, Rajoelina Andry, fa hovitaina ny kianja sy ny EPP any Soanierana Ivongo. Nambarany koa fa hasiana tetezana miampita eo Soanierana Ivongo mankany amin’ny Nosy Sainte Marie. Antony, hisorohana ny loza an-dranomasina mety hitranga.
Mahakasika ny fangatahan’ny ben’ny Tanàna lefitra hanaovana ny kaominina ho renivohitra, nilaza ny filoha Rajoelina fa « horaisina ny didim-panjakana momba izany ». Nohamafisiny fa maika ny fampandrosoana an’i Madagasikara ary mila olona mahay miara-miasa aminy izy hanafainganana ny asa.
Lin sy Njaka A.