Resy lahatra ary naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana ny fokonolona ao amin’ny fokontany Androhiavy, koaminina Analalava, faritra Sofia, omaly. Hisorohana ny asan-dahalo ao an-toerana, namory vahoaka avy ao amin’ny fokontany miisa telo ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Sofia, ny Kly Randriamidona Lys Odon. Niara-nientana taminy ny ben’ny Tanàna sy ny tomponandraikitry ny fokontany. Vonona hifanome tanana amin’ny mpitandro filaminana hampiharana ny tagnamaron’ny fandriampahalemana ireo mponina ao an-toerana. Voakasik’ity hetsika manokana ity ny fokontany Androhiavy, Ovaribe hatrany Ankaramikely. Tanjon’izy ireo ny hampandry fahalemana ireo fokontany rehetra anatin’ny kaominina Analalava.
Tsiferana R.