Tsy hivangongo amin’ny renivohi-paritany intsony ny oniversite miankina amin’ny fanjakana fa efa aparitaka any amin’ny faritra rehetra ho fanatonana ny mpianatra vonona hanohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony.
Namarana ny fitsidihan’ny filoham-pirenena ny faritan’i Toamasina ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny oniversiten’Analanjirofo, ny faran’ny herinandro teo. Ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, niaraka tamin’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo olom-boafidy sy voatendry maro samihafa, avy amin’iny faritany iny no nanatanteraka izany. Ho famaliana ny filan’ny mponina, indrindra ireo mpianatra afaka Bacc ao amin’ny faritra Analanjorofo no nanaovana izany. Eo ihany koa ny fanamaivanana ny fahasahirana’ny ray aman-dreny amin’ny fampianaran-janaka. Fotodrafitrasa ho an’ ny vahoaka sy tena ilain’ny vahoaka izy ity, araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena. Ao amin’ny kaominina Ambodimanga II no ahitana azy. Fotodrafitrasa miorina amina velaran-tany manodidina ny 2 ha, ahitana trano 5, trano fianarana roa lehibe, Cafetaria, Amphi ary trano fonenan’ny mpianatra. Miisa 700 ny mpianatra ao amin’io oniversiten’ Analanjirofo io amin’izao ary mahazaka mpianatra hatrany amin’ny 1500 ny fotodrafitrasa misy. Ahitana sampam-piofanana 3 dia ny Fambolena sy fiompina, ny Lalàna ary ny Fitantanana. Efa andalam-panokafana ireo sampam-piofanana hafa kosa ny tomponandraikitra amin’izao. Efa miara-miasa amin’ny oniversite iray any Frantsa ihany koa ity ao Analanjorofo ity. Hisy ny vahiny mpampianatra, manam-pahaizana manokana momba ny “Biodiversité”, miisa telo ho avy eto Madagasikara, ka hampianatra ao amin’ity oniversite ity. Tanjona amin’izany ny hampiakarana ny lentan’ny fampianarana.
Lin