Samoela sy Raboussa : nanakoako Antsahamanitra, afapo ny mpijery nanatrika

Tontosa, omaly, tetsy Antsahamanitra, ny fampisehoana niarahana tamin-dry Samoela sy Raboussa ary Krutambull. Feno tanteraka ny toerana, tonga maro namaly ny antso ireo mpankafy, lahy sy vavy. Ireo olona teraka tamin’ny taona 80 no tena mpankafy tamin’ny ankapobeny.

Nanakoako teny amin’ny manodidina ny feon’ny mpankafy tetsy Antsa­hamanitra. Tsy nitsahatra ny fampiaraham-peo teo amin’izy ireo sy ny mpanakanto nandritra ny fizarana faharoan’ny fampisehoana. “Afapo tante­raka satria efa ela no tsy nisy fampisehoana tahaka ny an­droany», hoy i Tedy mpankafy. “Nampahatsiahy ny fahaza­zana sy ny fahiny ny seho omaly ary tena nahafinaritra sy nahafapo”, hoy kosa i Bruno, mpankafy hafa. Antony nandrisika ny maro hijery ny seho ny fampiaraham-peo teo amin’ ireo mpanakanto telo sosona ireo. Nilaza ireo mpankafy fa nanala tanteraka ny rotorotom-piainana andavanandro ny seho tahaka izao.
Tapitra tamin’ny 4 ora sy 45 mn ny fampisehoana an­diany voalohany. Niakatra an-tsehatra nanafana izany ny mpankanto Samoela sy Ra­boussa. Maro ireo hira tsy afaka am-bavan’ny mpankafy nandritra izany. Toy ny “fitia­vana mampitogaigy” (Krutam­bull), “am-pitiavana”, “otran’là” (Raboussa), “zaza tsy tiana”, “havako mamomamo”, “soly”, “folaka ihany”… (samoela).

Mivantana ny hafatra tao anaty tononkira
“Miampita be ny hafatra ao anaty tononkira, ary tsy mivilivily fa tonga dia mivantana
sy mahitsy izany ho an’ireo mpanakanto ireo”, hoy Tedy, mpankafy. Nilaza izy fa tena tsara ary fakana tahaka ho an’ny mpanakanto hafa ny endriky ny fampitana hafatra tahaka izany. “Raha ho an’i Samoela manokana, mipetraka ho anisan’ny mpankanto matihanina izy”, hoy hatrany ireo mpankafy.
Hetahetan’ny maro ny ha­merenana sy hampiakarana an-tsehatra ireo mpanakanto taloha rehetra, nanamarika
ny fahazazana, teto amin’ny Nosy. Nilaza kosa ny hafa fa tsy tokony hirotorotoana ny fampisehoana fa tapohana mba hahaliana ny mpankafy. Miandry ny fampisehoana manaraka hatrany nefa ny ankamaroan’izy ireo.

Mino

Partager sur: