Rehefa ela niandrasana ny mpitia sy mpankafy… Raikitra fa hanolotra seho kanto ho an’ny rehetra ny tarika Telofangady. « Gasikarako », hotanterahina ao amin’ny Ivokolo Analakely, ny alahady 7 jolay izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hampiavaka ity fampisehoana an-tsehatra ity, araka ny fanazavan’izy 5 mirahalahy, fa : « hiran’ny tarika tsy misy fangarony » no hatolotra ny mpijery ho tonga eny an-toerana amin’io fotoana io. Ho feno rahateo ny Telofangady (Marco, Liva, Maoda, Christian, Haja) hiaka-tsehatra.
Raha tsiahivina, vitsy sisa ireo manana sy mampiasa ilay feo malagasy mampiavaka ny hira avy eto afovoan’ny Nosy sy ny fanaovana ny gadona mifanaraka amin’izany. Iray amin’ireny ny tarika Telofangady izay manome lanja sy hasina ny maha fanabeazana ny sanganasan’izy ireo.
Tononkira mazava, mora raisina, mampita hafatra mafonja. Ao koa ireo mirakitra ny hakanton’i Madagasikara. Ny hatsarana sy vokatsoa azo avy amin’ny fampanjakana ny an’ny tena, tahaka ny fihavanana, ny firaisankina. Ankoatra ireo, heno amin’ ny sanganasan’ny tarika ihany koa ny hanina sy ny embona.
HaRy Razafindrakoto