Sarotra resena ny hosoka: 2 000 Ar dia mahazo boky amin’ny endriny PDF

Mahakivy ! Tsy ny tontolon’ny mozika irery no misedra olana amin’ny piraty, indrindra amin’izao firoboroboan’ny teknolojia izao. Sedra lehibe atrehin’ny rohim-boky koa ny fivarotana amin’ny endriny niomerika, izay mahazo vahana ankehitriny.

Nahavelom-bolo ny fahamaroan’ny mpankafy boky, tonga nitsidika ireo tranoheva nandritra ny hetsika « Tokotany be », teny Mahamasina ny faran’ny herinandro teo. Tsapa nandritra izany, fa manomboka miverina liana amin’ny vaky boky ny Malagasy. Na izany aza, tsapan’ireo misehatra anatin’ny rohim-boky fa tsy ampy ny fanjifana ary ambany ny tinady. Antony maro no mahatonga izany. Anisan’ny goavana indrindra, ny fisian’ny fivarotam-boky niomerika, amin’ny endriny PDF, izay miparitaka anaty tambajotran-tserasera.
« 20 00 Ar monja, ahazoanao boky PDF maherin’ny zato ! », santionany amin’ny dokambarotra hita anatin’ireo vondrona maromaro io. Misy ny manafina ny hataony amin’ ny fivarotana boky PDF vahiny, izay malalaka ny fizarana azy. Hita ao anatin’ireny vondrona ireny koa ny tolotra mahaliana ny Malagasy ma­nokana. Ohatra : « Ho an’ireo mitady boky momba ny tantara sy ny fomba malagasy, sady misy amin’ny endriny taratasy no misy PDF. Ny PDF dia misy boky 1 000 isa… ».
Miseho masoandro

Misy tsy manafina ny tolotra homen’izy ireo, hisarihana ny mpanjifa. “Tantara ny Andriana” Tome I sy Tome II, Anganon’ny Ntaolo, Fanan­droana Malagasy, Ny tahirin’ny Ntaolo, Ny Fireham-pinoan’ ny Ntaolo Malagasy, Filozofia Malagasy, Firaketana, sns. Boky tsy fahita firy intsony amin’ny endriny taratasy. Tsy mbola nofaritan’ny lalàna ho azo amidin’olon-tsotra amin’ny endriny ankoatra ny na­moahan’ny trano printy azy izany.
Nanambara ireo mpisehatra anatin’ny tontolon’ny boky fa mahatratra any amin’ny 60 isan-jato ny fatiantoka vokatry ny hosoka. Tsy boky taloha ihany no lasibatra. Misy ny boky vao mivoaka ka tsinjon’
ireo mpanao hosoka fa mety hahaliana.
“Tsy misy fiarovana ny zon’ny mpanoratra eto…”, hoy ny fitarainana nataon’i Rado Ramaherison, tanatin’ny tafa nifanaovany tamin’ny gazety Taratra, nivoaka omaly. Misy ihany ny asa sahanin’ny sampandraharaha manokana mi­sahana amin’ny ady amin’ny piraty na ny BAP, izay eo anivon’ny minisiteran’ny Kolon­tsaina sy ny serasera. Efa maro ireo mpanao piratry boky sy ireo mpivarotra voasambotra. Mila fahatongavan-tsaina avy amin’ny mpankafy sy ny mpanjifa ny boky malagasy izany!

Zo ny Aina

Partager sur: