Miara-misalahy amin’ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana ireo mpianatra sy ray aman-dreny tra-doza tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny Ambatofolaka RN1, ny herinandro teo, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Raisina an-tanana manontolo ny fitsaboana ireo naratra, ary nisy antoka (assurances) avokoa ireo mpandeha raha ny fanazavana nomen’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Ny Dren Analamanga sy ny Dren Itasy no manaraka ifotony ny fizotry ny raharaha noho ity voina ity.
Misy amin’ireo maratra manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalin’i Miarinarivo ary misy kosa ireo manaraka fitsaboana etsy amin’ny HJRA Ampefiloha.
Miandry am-pilaminana ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny manampahefana amin’izay mety antony nitrangan’ny loza ny rehetra, indrindra ireo manana ny maty izay mbola anaty fahoriana. Manentana ny rehetra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba samy ho tony hatrany manoloana ireo karazam-baovao mety hiparitaka.
Tatiana A