Hanatsarana ny tamberin’andraikitra sy ny fahombiazan’ny governemanta, hampihenana ny olana politika miverimberina no nametrahana ny fandaharanasa Rindra.
Mitentina 23 000 dolara ny fampitaovana ny toeram-panofanana, ahitana ordinatera 25 sy ny kojakoja samihafa miaraka amin’ny « vidéo-projécteur », « écran de projéction » ho an’ny ivontoeram-panofanana ny mpiasam-panjakana momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana (INFA). Tohana avy amin’ny fandaharanasa Rindra, vatsian’ny USAID ary arindran’ny Pnud ny fanolorana fitaovana. Tafiditra amin’ny fampivoarana ny fahaiza-mitantana sy ny fanjakana tan-dalàna. Hitondra fanatsarana ny fizarana amin’ny fiofanana ireo fitaovana vaovao, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ ny INFA, Rabenarivolanto Lauréat, omaly, teny Androhibe. “Ahazoana manao fiofanana ampitain-davitra sy visio-conférence ny ivontoeram- piofanana miaraka amin’ny fitaovana momba ny teknolojia avo lenta”, hoy ny tale jeneralin’ny Pnud eto amintsika, Natasha Van Rijn.
Vonona hatrany hanao tantsoroka ho fanamafisana ny fahaiza-mitantana eto Madagasikara ny mpiray ombon’antoka. Ankoatra ny fampitaovana ny INFA, hampiofana ireo mpiasam-panjakana ambony vao nahavita fiofanana sy ireo efa amperinasa koa izy ireo. Hipaka any amin’ny vahoaka ny vokatry ny fampitaovana vaovao satria miasa ho an’ny vahoaka ny mpiasam-panjakana miofana ao amin’ny INFA, araka ny nambaran’ny minisitry ny Asa sy ny fampanananasa ary ny asam-panakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana.
Haharitra dimy taona ny fandaharanasa izay nosantarina ny taona 2021, ho an’ny faritra dimy: Analanjirofo, Sava, Menabe, Atsinanana, Menabe ary Antananarivo Renivohitra. Nanokanana vola 15 tapitrisa dolara ny fandaharanasa, ho fanamafisana ny fifampitondrana eto Madagasikara.
Vonjy