Mandindona ao avaratry ny Nosy ny rivodoza. Mitondra orambe any amin’ny morontsirak’Ambatosoa sy Atsinanana ary Analanjirofo izy io. Miha mahazo hery any an-dranomasina i Hidaya.
“Heverina ho nivadika ho rivodoza alina ilay faritra andro ratsy ao Avaratry ny Nosy noho ny fepetra tomombana hivoarany”, hoy ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Hidaya no anarana entin’ity rivodoza vaovao ity. Omaly hariva, efa lasa dépression tropicale izy ary tany amin’ ny 585 km avaratra andrefan’ Antsiranana ny foibeny. Mafana tanteraka ny ranomasina ka manafaingana ny fivoarany ho lasa rivodoza.
Omaly, nanomboka hita taratra ny tsiokan’ny talio izay mamafy hamandoana vokatr’ ity andro ratsy ity.
Manodidina ny 55 ka hatramin’ny 75 km isan’ora ny tafiotra entiny manakaiky ny foibeny.
Saika mahenika ny tapany avaratry ny Nosy, Comores sy Mayotte, ny rahom-baratra miaraka aminy.
Hikisaka miandalana hiakandrefana somary atsimo andrefana ilay andro ratsy, ao anatin’ny andro vitsy raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro hatrany.
Tombanana hitombo hery hatrany ity rivodoza ity any an-dranomasina. Rivodoza fahafolo tato amin’ny fari-dranomasina misy an’i Madagasikara, tamin’ity vanim-potoana 2023/2024 ity, i Hidaya.
Mitoetra hatrany ny filazana miloko mena amin’ny habetsahan’ny rotsakorana ho an’ny morontsirak’Ambatosoa, Analanjirofo ary Atsinanana. Manodidina ny 40mm ka hatramin’ny 90mm izany ao anatin’ny 24 ora. Hihena tsikelikely ny rotsakorana ao anatin’ ny 3 andro.
Hisy ny zavona ho an’ny afovoantany izay tokony hitandreman’ireo mpampiasa lalana. Hidina manodidina ny 17°C ka hatramin’ny 25°C ihany koa ny maripana ho an’ny afovoantany.
Tatiana A